- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Mpiambina maty notetitetehan’ny jiolahy

Ambatoboeny : Mpiambina maty notetitetehan’ny jiolahy

Habibiana tanteraka no nihatra tamin’ity mpiambiny iray tany amin’iny faritra Ambatoboeny iny, ny herinandro lasa teo. Mpiambina iray mantsy no namoy ny ainy, rehefa voatifitry ny jiolahy. Tsy vitan’izay fa mbola notetitetehan’ireo tsy valahara ihany ity lehilahy ity. Tao amin’ny toerana antsoina hoe, Tobindramaorisy, 400 metatra miala ny ranon’i Kamoro, ao amin’ny fokontany Ampasitapaka , kaomina Anjiajia no nisian’izany tranga mampihoron-koditra izany. Tokony ho tamin’ny efatra ora maraina teo ho eo no tonga nanafika ity toerana ity ny dahalo 15  nirongo basy sy fitaovam-piadiana maromaro. Tsy misy afa-tsy zama na mpiambina iray ihany anefa no teo amin’io toerana io tamin’io fotoana io, izay nanatanteraka hatramin’ny fara-fofonainy ny asa nampiandraiketina azy. Sendra ny be noho  vitsy anefa ny lehilahy tamin’io fotoana io, ka io lavo io. Voan’ny bala teo amin’ny tendany ity mpiambina ity ary nidaboka avy hatrany. Tsy vitan’izay anefa fa mbola nampiharan’ireo olon-dratsy ny habibiany ihany izy. Norasarasain’izy ireo tamin’ny antsy ny vatan’ity mpiambina ity rehefa hitan’izy ireo fa mbola niaina. Vola dimy hetsy ariary niampy kojakojan-dakozia isan-karazany no lasan’ireo olon-dratsy tamin’io fotoana io. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireo zandary taorian’ity zava-nitranga ity, ary nanatanteraka avy hatrany ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo olon-dratsy nahavanon-doza. Fa tany amin’iny faritra iny ihany, tao Antsevao, kaominina Andranomamy, mpivarotra natory teo an-tsena no notafihan’ny dahalo am-polony maro, ny zoma lasa teo. Olona telo no naratra mafy vokatr’izany. Voan’ny daroka sy ny tifitr’ireto olon-dratsy. Efa samy nalefa any amin’ny toeram-pitsaboana avokoa moa ireo olona naratra ireto, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny zandary tany an-toerana. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana ataon’ireo mpitandro filaminana ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici