- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Mpianatra 10 indray voan’ny ambalavelona  

Ambatoboeny : Mpianatra 10 indray voan’ny ambalavelona  

Niverina indray tato ho ato tany amin’iny faritra iny ny  trangana ambalavelona. Tovovavy mpianatra miisa folo ao amin’ny ceg sy lycée, sainte Thérèse katolika ao Ambatoboeny, any amin’ny faripiadidiam-pampianarana Boeny, no indray nihetsika Ambalavelona ny Alakamisy teo. Taorian’ny fifampiresahana tamin’ny ray aman-drenin’ireo mpianatra dia nanapa-kevitra ny tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly Saint Therèse, fa horaisina an-tanana fitsaboina amin’ny alalan’ny fivavahana ataon’ireo « karismatika » amin’ity retina ity. Raha ny vaovao voaray hatrany, dia mbola nisehoana trangan’ambalavelona ihany tamin’ity sekoly voalaza etsy ambony ity, ny zoma maraina teo, ka mpianatra iray indray mantsy no nihetsika sy marary. Noho ny tahotra mba tsy hiparitahan’ny aretina hafahafa ity haingana, dia nakatona ny sekoly ary nalefa nody ireo mpianatra.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici