- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Roa lahy namono sefo fokontany, maty voatifitry ny zandary

Ambatoboeny : Roa lahy namono sefo fokontany, maty voatifitry ny zandary

Efa jiolahy raindahiny, nokarohin’ny zandary fatratra izy ireto tany amin’iny distrikan’Ambatoboeny iny. Nampitondra faisana olona maro. Anisan’ny lasibatr’izy ireo ny sefo fokontany iray tao amin’ny fokontany Tsinjorano, kaominina Ankijabe, distrikan’Ambatoboeny. Taorian’ity tranga farany ity, dia nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambatoboeny. Nisy roa tamin’ireo tompon’antoka, tamin’ny famonoana ity sefo fokontany ity no voasambotra. Tsy iza ireo fa dahalo raindahiny efa malaza ratsy any an-toerana : Rasta sy Rabiry. Tamin’ny fakana am-bavany azy ireo dia nanaiky ny hanoro ny misy ireo namany izy roa lahy ireto. Toerana, miala eo amin’ny roa kilaometatra, atsimon’io kaominina misy ilay sefo fokontany maty io. Ny alin’ny alarobia lasa teo, rehefa tonga teo an-toerana izy ireo niaraka tamin’ireo zandary dia nanararaotra ny haizina sy ny fahafantarany ny toerana izy roa lahy ka nanao tari-dositra nitsoaka. Raikitra ny fifanenjehana. Tsy nety nijanona tamin’ny fampitandremana nataon’ireto zandary anefa ry zalahy fa mbola nanohy ny fitsoahany hatrany. Voatery nitifitra araka izany ireo zandary, nanao izay hampijanonana azy ireo. Samy voatifitra ireto farany, saingy tsy tana intsony ny ainy noho ny ratra nahazo azy ireo. Taorian’ny fitsirihana ny razana dia natolotra ny fokonolona izany ho amin’ny fandevenana. Ny fikarohana ireo naman’izy ireo kosa dia mbola mitohy hatrany any an-toerana raha ny fampitam-baovao azo. Anisan’ny nankasitrahan’ny mponina tanterana tany amin’iny faritra iny moa izao vokatra azon’ny zandary izao. Efa niraviravy tanana tanteraka mantsy ireo mponina ny amin’ny nafitsok’ireto olon-dratsy ireto, vokatry ny halatr’omby sy fanafihana mitam-piadiana isan-karazany, tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici