- Publicité -
samedi, novembre 8, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Telolahy saika hanafika mpandraharaha, maty voatifitra

Ambatoboeny : Telolahy saika hanafika mpandraharaha, maty voatifitra

Fifandonana mahery vaika no nitranga teo Andalamahitsy, fokontany Ankaraobato ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Tetsy ankilany, andian-dahalo nirongo fitaovam-piadiana nikasa hanao ny asa ratsiny tao Ambatoboeny, tetsy andaniny, zandary efa nahazo fampitam-baovao mialoha ary nivonona tamin’ny vela-pandrika. Vokany, telo amin’ireo olon-dratsy no lasan-ko razana. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo namany. Araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana dia mpandraharaha iray tao Ambatoboeny no efa notilian’ireto andian-jiolahy ireto ary ny talata 4 novambra lasa teo no nokasain’izy ireo hanaovana ny fanafihana. Efa tonga teny am-poto-tsofin’ireo zandary tany an-toerana anefa ny vaovao ka niomana avy hatrany tamin’ny paik’ady entina hisorohana izany izy ireo. Ny alin’ny alatsinainy no azo ny angom-baovao fa efa an-dalana ireo andian’olona mirongo fiadiana. Mitsofoka an’Andranofasika (RN4) ary mihazo an’Ambatoboeny (RN33 bis) iny. Teo no eo ihany dia efa nisy ireo mpitandro filaminana nalefa nandeha nanao ny fisafoana. Teo amin’ny io toerana voalaza etsy ambony io (Andalamahitsy) no nifanena izy ireo. Raikitra ny fifampitifirana ka io niafara tamin’ny fahalavon’ny dahalo miisa telo io tao anaty maizina. « Basy miisa roa, vita gasy sy bala maromaro teny amin’ireo olon-dratsy no efa eo am-pelatanan’ny zandary » araka ny vaovao. Taorian’ny fitsirihana ny razana dia efa natolotra ny tompon’andraikitra izany. Tsy nijanona teo kosa ny fanadihadiana fa mbola mitohy ny fikarohana sy ny fanaovana hazalambo ireo naman’izy ireo, hoy hatrany ny vaovao. « Nambaran’ny manampahefana fa tsy maintsy karohina ireo mety ho mpiray tsikombakomba sy ny antony nahatonga ny fikasana hanao izao fanafihana izao », raha ny vaovao hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici