- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Very ny lakolosim-piangonana

Ambatoboeny : Very ny lakolosim-piangonana

Raha niova fo sy nibebaka ary nangata-bavaka mihitsy ireo mpangalatra lakolosy tany amin’iny faritra Morombe iny, izay namerina izay fitaovana nangalariny izany, dia toa mbola manohy ny asa ratsiny kosa ireo any Ambatoboeny. Raha somary nangingina ny halatra lakolosy tao ho ao izay dia ity miverina ity indray. Ny faran’ny herinandro lasa teo, lasan’ireo olon-dratsy ny lakolosin’ny fiangonana katôlika ao Tsaramandroso, Ambatoboeny. Ny solontenam-piangonana tany an-toerana no nampilaza avy hatrany zandary raha vao hitany fa tsy teo amin’ny toerana nisy azy intsony izany lakolosy izay. Ny somary mahagaga dia mavesatra ihany ity lakolosy ity satria dia milanja eo amin’ny 100 kg eo kanefa dia mbola lasan’ireo mpangalatra ihany. Efa nanao ny fanarahan-dia sy ny fikarohana ireo zandary avy ao Tsaramandroso saingy hatreto dia mbola tsy nahitam-bokany izany. Mbola mitohy hatrany anefa ny fikaroham-baovao sy ny fanadihadiana mahakasika ity halatra lakolosy ity.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici