- Publicité -
mardi, décembre 23, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatoboeny : Zanaka mpamboly nalain’ny dahalo an-keriny, takiana 80 tapitrisa ariary

Ambatoboeny : Zanaka mpamboly nalain’ny dahalo an-keriny, takiana 80 tapitrisa ariary

Nitrangana fakana an-keriny teratany malagasy indray, tany amin’iny distrikan’ Ambatoboeny iny, ny alahady lasa teo. Ankizilahy  13 taona monja no nalain’ireo olon-dratsy an-keriny tao Anjiajia. Soa  anefa, fa nandray ny andraikiny avy hatrany ireto zandary tany an-toerana, niaraka tamin’ireo fokonolona ka avotra soa aman-tsara ity zaza ity.

Raha ny zava-nitranga, nisehoana asan-dahalo tao amin’io fokontany io ary ny tokantranona mpamboly iray tao an-toerana no lasibatry ny andian-dahalo nirongo basy. Nalain’izy ireo ary nentin’izy ireo an-keriny ny zanaky ny tompon-trano. Nitaky vola manodidina ny valopolo tapitrisa ariary teo ho eo ireo olon-dratsy ho tambin’ny famotsorana ity ankizy ity. Taorian’ilay tranga, dia niantso vonjy haingana tamin’ireo zandary tany an-toerana ny fokonolona. Nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’izy ireo tamin’izany, ny alina tontolo. Raha ny vaovao azo avy tamin’ny zandary hatrany, dia tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambovonkalanoro, 25 kilaometatra miala an’Anjiajia no fantatra fa toerana nieren’ireo olon-dratsy sy nitazonany ilay zaza, ary niomana ny hanavotra izany izy ireo ny alatsinainy teo. Tetsy an-danin’izay anefa, raha vao nahatsikaritra ireto mpanara-dia ireo olon-dratsy dia nanao tari-dositra nitsoaka. Tsy nentiny tamin’izany fitsoahany izany kosa ilay ankizy nalaina an-keriny, fa navelan’izy ireo teo. Avotra soa aman-tsara araka izany ity zaza teny am-pelan-tanan’ny dahalo ity, tsy nisy fandoavam-bola. Mbola mitohy kosa ny fikarohana ireo mpanao ratsy ataon’ireo zandary any an-toerana, araka ny vaovao voaray hatrany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici