
Rehefa tsy ny jiolahy no mamely dia ireo mpisoloky no manao ny ataony ! Lasibatra foana ireo « cash point » eto amintsika ary anisan’ireo toerana lasibatry ny asa ratsy matetika. Ny azo antoka aloha dia miasa ireo mpitandro filaminana, miezaka misambotra ireo mpanao ratsy, toa ity teny Ambatofahavalo ity. Tovolahy iray, izay fantatra fa isan’ireo mpisoloky « cash point » hikoizana sy nampitondra faisana ireo olona maro mpisehatra amin’izany asa izany no voasambotra ambodiomby ny sabotsy lasa teo. Raha ny voalaza dia manararaotra ny fahasarotana eo amin’ny lafin’ny « reseaux » eny an-toerana ingahirainy ka mampiady teti-dratsy entina hanaovana ny asa ratsiny. « Mampiasa « puce » roa ingahy, izay ataony anaty finday iray. « Raiketiny ao anatin’ny lisitra fizahana ny laharan’ny finday iray ka ataony Mvola no anarany. Ilay laharana noraiketiny hoe Mvola no andefasany hafatra an-tsoratra amin’ilay laharana iray (…). Mitovy tsy misy valaka amin’ireny hafatra alefan’ireo tambajotran-tserasera mihitsy ny hafatra halefany ka toy ireny hoe avy naka vola ireny mihitsy ny tenany » hoy ny filazan’ny zandary. Noho ny fahasarotana eo amin’ny lafin’ny fifandraisana dia mazàna mila fotoana ela vao afaka manamarina izany ilay mpitantana « cash point », ka dia matoky fotsiny ilay hafatra sandoka nasehoan’ity mpisoloky ity. Mazava ho azy, efa dify tanteraka ilay olon-dratsy vao tonga ny fanamarinana fa tsy misy « transaction » nandeha. Efa volabe no very !
Efa maro ny fitairanana tonga teny anivon’ny zandary mahakasika izany fisolokiana izany saingy izao vao tra-tehaka sy tafiditra anaty harato izao ny tompon’antoka, rehefa nametrahana paik’ady. « Aoka samy ho mailo satria efa maro karazana amin’izao ny fomba fisolokiana. Miezaka mivoatra sy manatsara ny asany hatrany mantsy ireo mpisoloky izay efa nisafidy ny nanao izany ho anton’asa raikitra » hoy hatrany ny eo anivon’ny zandary.
m.L