- Publicité -
vendredi, novembre 21, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofinadrahana : Vehivavy bevohoka nodoran’ny dahalo tao an-tranony

Ambatofinadrahana : Vehivavy bevohoka nodoran’ny dahalo tao an-tranony

Mandravarava sy manao habibiana tsy roa aman-tany ny dahalo mitam-basy any amin’ny distrikan’ Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania. Afak’omaly alina, vehivavy iray mitondra vohoka no novonoin’ny dahalo, ary nodoran’ ireo tsy mataho-tody tao an-trano fonenany, tao Ampanaovapoara. Araka ny tati-baovao voaray, rehefa avy nandroba toeram-pivarotana miisa telo ary nifaoka ny entam-barotra ireo dahalo, dia nampihorohoro ny mponina teo an-tanàna, ary niverina niditra indray tao amin’ity fivarotana sady tokantrano iray vao avy notafihan’izy ireo, ka namono tamin’ny fomba feno habibiana an’ilay renim-pianakaviana tompon-trano nitondra vohoka. Rehefa maty ity farany dia nodoran’ireo mpanani-bohitra ny tranony. Fa omaly antoandro kosa, tao an-tanànan’ Ambohibato, fokontany Ambatoharanana, dia omby miisa enina izay nitaona biriky no nalain’ny dahalo.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici