- Publicité -
mardi, juillet 29, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : 4000 lahy avy any Ikalamavony, nandroba tanàna

Ambatofinandrahana : 4000 lahy avy any Ikalamavony, nandroba tanàna

Vatan-dehilahy avy any Ilakamavony teo amin’ny 4000 teo, mirongo fitaovam-piadiana ,  voalaza fa handeha hanaraka dian’omby very, no indray nandrava ny kaominina Fenoarivo, distrikan’ Ambatofinandrahana nandritra ny telo andro misesesy ny 20, 21, ary 22 oktôbra lasa teo, raha ny filazan’ireo solon-tenan’ny fokonolona, nahitana solontenan’ny kaominina, mpampianatra, talen-tsekoly, sefo fokontany ary kartié « mobile », ary mponina avy amin’iny faritra iny, niakatra taty an-drenivohitra, ary nitafa tamin’ny mpanao gazety omaly teny Faravohitra. Fantatra tamin’izany fa, omby aman-jatony no lasan’izy ireo, trano  roa no may, maromaro ireo naratra vokatr’izany herisetra izany ary tovovavy 14 sy 15 taona roa no naolan’ireo andian’olona aman’arivony ireto. Fokontany efatra, Tsimamaliavona, Ianakona, Antsahamiady ary Antanifotsy tao amin’ity kaominina ity no nandalovan’ireo vatan-dehilahy ireo sy nanaovany herisetra araka ny voalazan’ny filohan’ny mpanolon-tsain’ny kaominina. Araka ny nambaran’izy ireo, dia nilaza ho mpiray dina avy any Ikalamavony ireto andian’olona ireto ary nirahina tompon’andraikitra avy any an-toerana, hikaroka ny ombiny very. Tsy tao amin’io kaominina io anefa no nandefasana azy ireo, raha ny fitantaran’ireo solontenam-pokonolona ireto, ary nambaran’ny mpitandro filaminana azy ireo izany fa toeran-kafa mihitsy kanefa dia izao fokonolona aman’aliny izao no lasibatra raha ny fitarain’izy ireo hatrany. Manaitra ny sain’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy ireo mponina ao amin’io kaominina io eo anatrehan’izany herisetra nianjady tamin’izy ireo izany. Raha ny fantatra mantsy, voalazan’izy ireo fa sekoly maromaro no nosimbaina ary tsy misy mianatra ny ankizy ao Fenoarivo amin’izao. Efa nisy, hoy izy ireo ny fitarainana nalefa tany amin’ny mpitandro filaminana ary efa tonga tany an-toerana ireto farany. Mangataka ny hanokafana fanadihadiana lalina kosa izy ireo eo anatrehan’ny zavamisy nianjady tamin’izy ireo tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser