Nirefodrefotra ny basy tany amin’iny distrika Ambatofinandrahana iny, ny alarobia lasa teo. Fifandonana in-telo miantoana no nisy teo amin’ireo mpanara-dia ; izay nahitana zandary sy fokonolona tetsy ankilany, ary dahalo amam-polony, nirongo fitaovam-piadiana tetsy andaniny, tao amina kaominina iray antsoina hoe Amborompotsy. Vokatr’izay, dahalo 15 no tsy afaka hanohy ny asa ratsiny intsony, olona iray no naratra avy aty amin’ny fokonolona kosa.
Ny alarobia lasa teo, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no nitrangan’ity asan-dahalo mahery vaika ity, araka ny tatitra azo avy tamin’ny mpitandro filaminana. 60 mahery tany ho any ireo dahalo, niaraka tamin’ny basy « kalach » sy Mass 36 ary basim-borona. Omby mahatratra teo amin’ny 250 teo ho eo no lasan’izy ireo, ary tsy vitan’izay, fa mbola naka takalonaina telo, mba tsy hahafahan’ireo fokonolona hanara-dia. Niditra an-tsehatra avy hatrany anefa teo ny zandary ary tonga nanampy ireo fokonolona. Antsasak’adiny taorian’ny fanafihana, dia efa nisy sahady ny fifandonana teo amin’ny mpanara-dia sy ireo andian-dahalo. Tonga ihany koa ireo zandary sy fokonolona hafa nanampy ireto namany ary raikitra indray ny fifandonana. In-telo miantoana ny nisian’izany ary niafara teny amin’iny kizo iray tsy lavitry ny tanàna ny fifandonana farany, izay nitsoahan’ireo dahalo sy namotsorany ireo takalonaina sy ireo omby teny am-pelan-tànany. Voatsimpona tsirairay mantsy ireto malaso. 15 no totalin’ireo namoy ny ainy, ary nanao tari-dositra ireo naratra sy ireo ambiny sisa velona. Mbola nifanenjehana ireo ambiny sisa, hoy ny vaovao, saingy efa hariva ny andro tamin’io fotoana. Tsy maintsy nentina notsaboina ihany koa tetsy andanin’izay ilay naratra. Na izany na tsy izany aza, dia mbola manao ny fanadihadiana rehetra hikarohana ireto malaso ireto ireo tompon’andraikitry ny filaminana tany an-toerana.
m.L