Mompera iray tsy mamy hoditra intsony amin’ny mpino katôlika sy ny vahoaka any amin’ny kaominina Amborompotsy, distrikan’ Ambatofinandrahana, faritra Amoron’i Mania no niharan’ny herisetra sy gidraka niampy tora-bato, ka naratra, ny herinandro lasa teo iny. Vokatry ny fifandonana, nisy ihany koa ny fotodrafitrasa simba. Manana toetra miavonavona sy manao fomba tsy mety amin’ny mpino ao amin’ny fiangonana iadidiany, dia ao Ankaditsiary ity pretra ity. Tsy nahafaly ny mpino io toetrany io, ka nitarika fikomiana niafara tamin’ny korontana, hoy ny loharanom-baovao azo avy tany.
Voaroaka. Raha ny loharanom-baovao hatrany dia olana teo amin’ny fizarana fananana navelan’ny mômpera Cataldo, zezoita, efa nodimandry, no antony nitarika ny disadisa ; satria nisy fikambanana iray nomena, fa ny hafa kosa tsy nahazo sy natao ankilabao. Tsy nahafaly ny mpino izany, satria niteraka fizarazarana tombo sy hala tamin’izy ireo. Noho io toetra mpampisara-bazana io dia handroaka an’ity pretra ity hiala tany amin’ny faritra Amborompotsy ao Ambatofinandrahana ny ankamaroan’ireo mpino sy mponina tofoka. Raha vao naheno ny toe-draharaha mafampana tany an-toerana ny lehiben’ny distrika ao Ambatofinandrahana dia nidina any Amborompotsy niaraka tamin’ny OMC (Organe mixte de conception) mba handrindra ny filaminana sy handamina ny raharaha, hoy ny loharanom-baovao nanamafy.
Manitrisa