- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Basy « kalach » iray azo teny am-pelatanan’ny dahalo

Ambatofinandrahana : Basy « kalach » iray azo teny am-pelatanan’ny dahalo

Fitaovam-piadiana mahery vaika, basy « kalach » iray no tratra teny am-pelatanan’ny dahalo tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Tety Analatapia, fokontany Andrahalana, distrika Ambatofinandrahana, omaly vao mangiran-dratsy. Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao dia toby famaharan-dahalo ity toerana nahitàna ilay basy ity. Nisy mantsy, hoy hatrany ny fanazavàna azo, ny angom-baovao azon’ny avy eo anivon’ny Vondron-tobim-paritry ny zandary ao Ambatofinandrahana, mahasika io toerana io sy ny misy azy. Tsy niandry ela fa nidina avy hatrany tany amin’io toerana io ireo zandary. « Rehefa natao ny fisavàna ny toerana voalaza eo ambony dia tsy tratra tao intsony ireo dahalo fa basy « kalachnikov » iray no hita tao izay nogiazana avy hatrany ». Marihana, hoy hatrany ny vaovao, fa tsy fitaovam-piadiana ampiasain’ny zandarimariam-pirenena ity basy mahery vaika sarona ity. Hatreto araka izany dia tsy mbola hay velively ny loharano niaviany ka nahatonga azy ho eny am-pelatanan’ireo olon-dratsy. Mitohy araka izany ny fanadihadiana mahakasika izany ary heverina fa ho fantatra tsy ho ela.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici