- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Basy Mas36 iray sarona

Ambatofinandrahana : Basy Mas36 iray sarona

Vokatry ny fiaraha-miasa mahomby ataon’ny zandary sy ireo olona tsara sitra-po, dia efa mahatratra 11 ireo basy azo hatramin’iny volana aogositra lasa teo ihany, ny farany teo, tao amin’ny distrikan’Ambatofinandrahana. Basy maodely MAS36 iray no hita tao amin’ny Tetin’Angodongodona, fokontany sy kaominina Fenoarivo, distrikan’Ambatofinandrahana, ny marainan’ny 26 oktobra 2019. Araka ny vaovao azo avy amin’ny olona tsara sitra-po izay nilaza ny fisian’ity basy ity dia nanao sahavao tao amin’ny tety voalaza etsy ambony ireo Zandary manatanteraka hetsika fampandrian-tany ao anatin’ny distrikan’Ambatofinandrahana. Sarona araka izany ity basy tokana ity, izay tsy nahitàna bala niaraka taminy, saingy mbola hita mazava tsara ny laharana entiny. Mampirisika hatrany ny vahoaka ny zandary amin’ny fanomezana vaovao, raha vao misy trangan-javatra mampiahiahy eo an’ivon’ny firahamonina.

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici