Rehefa nokarohina sy natao hazalambo nandritra ny andro maromaro, dia voasambotry ny mpitandro filaminana, ny zoma teo, ny dahalo fito tamin’ireo 100 lahy nitam-piadiana nandroba omby miisa 800, tao Tsimabeomby (anelanelan’ Amboropotsy sy Ambatofinandrahana), ny 10 mey lasa teo. Tra-tehaka niaraka tamin’ireto dahalo ireto ihany koa ny omby halatra 154 isa sy basy telo nampiasan’ireo olon-dratsy nandritra ny fanafihana niaraka tamina bala vitsivitsy, hoy ny Komandin’ny Cirgn Fianarantsoa, ny Jly Rabearimahefa Andrianjaka. Araka ny fanazavana azo hatrany, dia nokasaina hamidy tao Ambatofinandrahana ireto omby avy any amin’ny Distrikan’i Manja sy Mandabe ireto no voaroba teny an-dalana. Raha vao nandre ny tranga ny Zandary, dia nanao ny sakana rehetra tamin’ ireo faritra nitondran’ny andian-dahalo ireo omby avy nangalariny. Noho ny fidadasiky ny toerana, dia voatery nanafatra helikoptera avy aty an-drenivohitra ny mpitandro filaminana nentina nikarohana an’ireo malaso. Efa tafaverina amin’ny tompony ireo omby miisa 154, raha mbola karohina fatratra kosa hatramin’izao ny omby miisa 646 ambiny miaraka amin’ireo dahalo mpanani-bohitra. Hatolotra ny Fitsarana Ambaratonga voalohany ao Ambositra amin’ity herinandro ity ireo dahalo azo sambo-belona.
Eric Manitrisa