- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Dahalo efatra maty voatifitra, efatra hafa azo sambo-belona

Ambatofinandrahana : Dahalo efatra maty voatifitra, efatra hafa azo sambo-belona

Na dia eo aza ny ezaka fampandrian-tany iadiana amin’ny asan-dahalo any Ambatofinandrahana, dia mbola faritra mena amin’ny asan-dahalo ity Distrika saro-dalana any amin’ny Faritra Amoron’i Mania ity. Taorian’ny fanafihan-dahalo nahery vaika niseho tao Natoriana, Kaominina ambanivohitra Mandrosonoro, ny zoma teo, izay nahaverezana omby, vary, fanaka saro-bidy ary nahafatesana vehivavy roa mpiray tampo, dia nanao ny fanarahan-dia ny Zandary nampian’ ireo Lambamena (andrimasom-pokonolona) rehefa naharay antso vonjy (koka). Tao anaty fanarahan-dia, nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana ireo dahalo, ka raikitra ny fifadonana teo amin’ny roa tonta. Vokany : dahalo efatra maty voatifitra, efatra hafa azo sambo-belona. Lambamena mpanara-dia telo kosa naratra mafy voatifitry ny dahalo, raha ny vaovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici