- Publicité -
vendredi, mai 16, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Lehiben’ny “Dina Tany Mandry“ hita faty tao amin’ny seranam-piaramanidina

Ambatofinandrahana : Lehiben’ny “Dina Tany Mandry“ hita faty tao amin’ny seranam-piaramanidina

Maty nisy namono (voafira famaky teo amin’ny lohany, nisy naratra koa ny vatany) ary hita faty nisitra teo amoron-dalana, tao amin’ny seranam-piaramanidina  Ankibosola, 8 km miala ny tanànan’Ambatofinandrahana, ny alatsinainy 6 aprily lasa teo, ny lehiben’ny “ Dina Tany Mandry” any amin’ny kaominin’Itremo, Razafindrakoto. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia tsy hita ny entana sasantsasany novidiany tao an-tsenan’ Ambatofinandrahana, ary hatramin’izao mbola tsy fantatra ny olona nahavanon-doza. Avy namonjy ny fivoriana mikasika ny fandriampahalemana nokarakarain’ny lehiben’ny distrika sy ny komandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria sy ny kaomisera tao Ambatofinandrahana izy ny sabotsy lasa teo  ary nandeha hody any Ambalamarina Itremo (40 km avy ao Ambatofinandrahana), izao nisy namono tamin’ny fomba habibiana izao. Ity raim-pianakaviana ity fony fahavelony no niady mafy ho an’ny famongorana ny asan-dahalo mahery vaika any an-toerana. Misokatra ny fanadihadiana.

Eric Man

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser