- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Lehilahy iray voasambotra niaraka tamin’ny basy

Ambatofinandrahana : Lehilahy iray voasambotra niaraka tamin’ny basy

Araka ny vaovao avy amin’ny polisin’ny commissariat de police any Ambatofinandrahana dia miparitaka ny basy vita gasy sy ny basy MAS 36 ary ny Kalachnikov any amin’ity Distrika ity. Misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fokonolona sy ny Polisim-pirenena amin’ny fikatsahana ny fandriampahalemana amin’ny fanaovana ny Kalony, na ny Andrimasompokonolona, sy amin’ny fandraisana « renseignement » avy amin’ny mponina mikasika ny fisian’ny asa ratsy. Ny harivan’ny sabotsy, 22 Mars 2014 teo tokony ho tamin’ny 5 ora dia voasambotry ny Polisy ny lehilahy iray antsoina hoe Liniry, 25 taona, monina any amin’ny fokontany Bedihy, saika hitifitra olona mpivady teo an-davarangany tamin’ny basy vita gasy. Ilay rangahy saika hotifiriny no niantso haingana ny polisy. Rehefa  nanao ny fisamborana ny Polisy dia tratra tao ambany atsinanan’ny tanànan’Ambatofinandrahana izy niaraka tamin’ny basy vita gasy iray miaraka tamin’ny bala calibre 12 miisa roa.

r.s.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser