Nisehoana trangan-javatra afahafa, ny alakamisy 23 febroary lasa teo, tao Ambatofinandrahana, tamin’ ny sekoly roa, dia ny tao amin’ny CEG Philibert Rakotomaharo sy ny sekoly tsy miankina “ lycée La Prima”. Araka ny vaovao voaray tany an-toerana, dia tao amin’ny CEG Philibert Rakotomaharo, tamin’ny 8 ora maraina mahery kely eo, no niandohan’a ny trangan-javatra io, tamin’ny ankizivavy roa izay tao amin’ny “classe de 3ème-3“ araka ny fanazavan’ny talen’ny CEG, Rajaonera Haja Manantsoa izay nanamarina, fa avy nivoaka ny hopitaly ireo ankizivavy roa ireo noho ny aretina nahazo azy ireo. Nangataka hivoaka ary ireo ankizy vavy roa ireo. Nony fotoana fohy taty aoriana, dia torana izy roa vavy. Vokatr’izany trangan’aretina lazaina fa hafahafa izao, dia nisesisesy ireo mpianatra torana, ka tsy nijanona raha tsy nahatratra 13 ny ankizy vavy ary 1 ny ankizy lahy tao amin’io CEG io ihany ary samy ao amin’ny “classe de 3ème-1-2-3 ary ny iray tao amin’ny sekoly tsy miankina “lycée La Prima”. Nisy trangan’aretina hafahafa ihany koa, andro vitsivitsy lasa izay, ny ao amin’ny kaominin’Ambondromisotra-Soavina ao anatin’ny distrikan’Ambatofinandrahana ihany, ka ankizy vavy maro maro ao amin’ny sekoly vitsivitsy no lasibatra amin’izany. Araka ny filazan’ny olona sasany dia mitovy amin’ny ambalavelona ny fisehoan’ilay aretina.
Anastase