Dahalo valolahy nirongo basy mahery vaika nanao be fiavy no nanafika mpivady amin’ny magazain’i TIKO tany Ambatofinandrahana, ny misasak’alin’ny 16 janoary lasa teo. Vao tonga tao an-trano ireto malaso tonga dia nitifitra. Raim-pianakavina iray no naratra vokatr’izany ary mbola tavela teny amin’ny tànany ny bala ka tsy maintsy nodidiana tany amin’ny hopitaly izy. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’ity fanafihana ity ny lelavola Telo Hetsy ariary niampy entana hafa toy ny siramamy sy kafe. Rehefa azon’ireo dahalo izay nilainy dia rifatra nandositra izy ireo. Nomarihan’ny fampitam-baovao avy any an-toerana fa tsy nisy nandeha ny tambazotram-pifandraisana finday tamin’io fotoana io ka nampanano sarotra ny fiantsoana ny mpitandro ny filaminana. Magazay telo sy hotely iray no efa voatafika tao Ambatofinandrahana nanomboka ny fiandohan’ity taona 2014 ity, àry isan’alina dia misy halatra sy asan-dahalo foana. Efa nisy ny olona voasambotry ny mpitandro filaminana , jiolahy 15 ka hatramin’ny 16 taona. Noheverina fa ireto andian-jatovo ireto no mpangalatra tao an-tanàna, nefa dia izao mbola tsy mijanona izao ny fanafihana. Noho izany, mandry andriran’antsy isan’alina ny mponina any amin’ny distrikan’ Ambatofinandrahana.
Manitrisa