- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Nisy nandoro ny EPP Ikatelo

Ambatofinandrahana : Nisy nandoro ny EPP Ikatelo

May kila hotohoto nisy nandoro ny harivan’ny alatsinainy teo ny EPP ao Ikatelo, ZAP Soavina, Cisco Ambatofinandrahana. Rindrina sisa mijoro ankehitriny, fa lasa lavenona avokoa ny fanaka sy ny kojakojam-pianarana tao. Raha ny vaovao voaray, dia ezaka madiodion’ny Fokonolona no nanangana ny trano misy efitrano efatra, folo taona lasa, nefa izao potika izao. Noho ny hetraketraky ny tsy mataho-tody, dia ankizy maherin’ny 200 no tsy afaka mianatra. Manoloana an’ity voina ity, dia sahiran-tsaina ireo mpampianatra FRAM miisa fito izay misahana ny fampihodinana an’ity sekoly ity. Vaky loha koa ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra amin’ny hoavin-janany. Fotoam-pambolena izao any amin’ny Faritra Amoron’i Mania, ka sahirana ny tantsaha izay miantso vonjy amin’ny Fanjakana mba hanarenana haingana ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana ary handraisana ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici