- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Nodoran’ny dahalo ny fiangonana FLM ao Soanierana

Ambatofinandrahana : Nodoran’ny dahalo ny fiangonana FLM ao Soanierana

Saika isan’andro tato ho ato dia tsy maintsy nahenoana fanafihan-dahalo sy asa ratsy mitranga foana any amin’ny Distrikan’ Ambatofinadrahana, faritra Amoron’i Mania, indrindra ny ao amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Bemaha Soavina. Noho ny firongatry ny halatra omby, dia tsy ataon’ny mponina ao am-bala intsony ireo omby, fa ampidirina an-trano, nefa mbola robain’ireo malaso mitam-piadina hatrany. Tsy mionona fotsiny amin’ny fandrobana ny omby ireo malaso mpanani-bohitra, fa mamaky trano ihany koa ary mandoro tanàna. Ny faran’ny herinandro teo, may kila forehitra nodoran’ny dahalo ny fiangonana FLM ao Soanierana, fitandremana Ambohibary, Fileovana Soavina, ka tsy nisy azo noraisina fa hotohoton’ny afo avokoa ny entana rehetra tao amin’ity fiangonana ity, ary tampoka tamin’ny olona ny zava-nitranga, hoy ny tati-baovao voaray.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici