Nitrangana loza mahatsiravina tao amin’ny toeram-pitrandrahana vato tany amin’iny distrikan’Ambatofinandrahana iny, ny voalohan’ny herinandro teo. Roa lahy, mpiasa tao amin’io kariera io no maty nihotsahan’ny tany.
Tokony ho tamin’ny iray ora antoandro tany ho any no niseho ny loza, araka ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana, tao amin’ny karieram-bato ao Mahavanona. Fitrandrahana vato antsoina hoe “epidolyte” ity toerana ity. Tamin’io fotoana io dia mbola teo am-piadiana lavaka izy roa lahy ireto no niseho tampoka ny loza. Satria nianjera tamin’izy ireo ary nanototra ny lavaka vao avy nangadian’izy ireo ny vato teo amboniny. Marihana fa efa lasa lalindalina ihany, tokony ho enina metatra tany ho any no izao nitranga izao ny tsy nampoizina. Tototry ny vato sy tany araka izany ilay lavaka, ary nanototra azy roa lahy ireto ihany koa. Maro mpiasa moa teo amin’io toerana io ka raha vantany vao niseho ny loza dia niezaka avy hatrany nanavotra ireto roa lahy mpiady vato ireto ireo fokonolona teo an-toerana, raha nampandre ny mpitandro filaminana kosa ny hafa. Tonga teny an-toerana nanampy tamin’ny famonjena sy fanesorana ireo tany sy vato teo ambony ireo zandary sy ny fokonolona. Somary nanahirana izany ka adim-pamataranandro maromaro taty aoriana vao afaka. “Tokony ho tamin’ny sivy ora alina vao hita izy roa lahy, saingy efa vatana mangatsiaka sisa no nosokirina sy nampiakarina avy any” hoy ny loharanom-baovao. 35 taona sy 30 taona moa izy roa lahy niharan-doza ireto, izay samy monina ao Ambondromisotra, distrikan’Ambatofinandrahana avokoa. Tamin’io fotoana io ihany dia efa natao ny fizahana ny razana, izay notanterahan’ireo mpitsabo tao amin’ny tobim-pahasalamana tao an-toerana ihany. Nomena ny fianakaviana kosa taorian’izay.
Koa satria misy ny aina nafoy dia tsy maintsy nanokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity ny mpitandro filaminana tany an-toerana izay sahan’ireo eo anivon’ny tobim-paritry ny zandary ao Ambatofinandrahana.
m.L