Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tany Ambatofinandrahana, ny harivan’ny sabotsy teo, tamin’ny 6 ora sy sasany. Lasan’ny jiolahy valo, nirongo basy ny fito, ny volan’ny CECAM (Caisse d’Epargne et de Crédit Agricol Mutuel) izay orinasa fampindramam-bola madinika miasa any an-toerana. Maty tsy tra-drano vokatry ny toto vodibasy niatefa teo amin’ny lohany ny ramatoa iray mpitambola, vadina mpitsabo mpanampy sady lefitry ny ben’ny tanànan’Ambatofinandrahana.
Voatafika tao anaty fivoriana. Raha ny loharanom-baovao, dia tao anaty fivoriana ireo mpikamban’ny CECAM tamin’io andro io no nidiran’ireo jiolahy amboletra tao an-trano. Rehefa tafiditra tao ireo olon-dratsy dia nasainy nakatona avokoa ny varavarana rehetra ary nasainy navoaka ny vola rehetra tao. Nitsoaka ireo jiolahy rehefa azon’izy ireo ny rembiny. Io asabotsy io ihany, saingy tamin’ny efatra ora tolakandro kosa, tao Ambalakatsaka Ambatofinandrahana, dia toeram-pivarotana iray no voatafika. Lelavola telo hetsy sy iray tapitrisa ariary no lasan’ny dahalo.
Manitrisa