- Publicité -
mardi, juin 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofinandrahana : Zandary nitifitra ny raibeny, namono tena avy eo

Ambatofinandrahana : Zandary nitifitra ny raibeny, namono tena avy eo

Rà mandriaka, vatana mangatsiaka roa no miampatra eo am-povoan-trano. Ireo no hitan’ny fokonolona rehefa avy nahare poa-basy indroa avy tamina tokatrano iray tao Mandrosonoro, disitrika Ambatofinandrahana, ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy teo. Razana roa : ny lehilahy lehibe efa voky andro ary ny iray mbola lehilahy iray ao anatin’ny tanjany tsara. Zandary ny asan’ity farany ary nitondra ny galona zandary kilasy faharoa ny tenany. Mpihavana izy ireo : raiben’ity farany ilay lehilahy lehibe. Araka ny tati-baovao azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena dia nifamono tao izy mianaka ireto. « Rehefa avy nitifitra nahafaty ity raibeny ilay zandary dia namono tena tamin’ny basim-panjakana » hoy ny vaovao. Hatreto, tsy fantatra izay tena fototry ny olana ka niafara tamin’izao fifamonoana an-kitsirano izao. Ny hany fantatra, raha ny loharanom-baovao azo dia nandalo an-tranon’ity havany ilay zandary raha nandeha namita iraka tany Ambositra. Vao nahare ity tranga mampihorokoditra ity moa ireo zandary avy ao amin’ny tobi-paritra Ambatofinandrahana dia nidina malaky tany an-toerana. Nosokafana teo ho no eo ihany ny fanadihadiana ahafahana mamantatra izay tena anton’izao zava-doza izao.

Tato ho ato tokoa, raha tsy hiteny afa-tsy ny hoe nanomboka ny voalohan’ny taona teo dia efa maromaro ihany izay zandary nihoa-pefy fantatra izay ary nahavita namono olona tamin’ny basim-panjakana teny aminy. Heverin’ny maro fa ny fomba nampidirana azy ireny tao am-balan’ny zandarimariam-pirenena no misy lesoka. Tsy voafehin’ireny olona ireny intsony mantsy ny fahefana kely hananany, indrindra moa fa ny fisian’ny basy eny am-balahany hany ka miafara na amin’ny fandrahonana na mety ho tonga hatramin’ny vono olona mihitsy. Ho hentitra araka izany ny fanaovana fanadihadiana atao amin’ireo olona hiditra ho zandary, indrindra ny mahakasika ny fitondran-tenan’izy ireo sy ny mikasika ny fianakaviany izay nahalehibe azy. Ny mahakasika ny basy indray dia nisy ny fepetra noraisina fa tsy maintsy aterina any amin’ny tobim-basy ireny fitaovam-piadiana eny am-pelan-tanan’ny zandary ireny rehefa vita ny iraka ampanaoviny azy ireo, mba hisorohana ny loza toa izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici