- Publicité -
mardi, novembre 4, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofisaka Antalaha : Lehilahy nitondra moto, maty voafaokan’ny 4x4

Ambatofisaka Antalaha : Lehilahy nitondra moto, maty voafaokan’ny 4×4

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray teny amin’iny faritra Ambatofisaka Antalaha iny , omaly maraina, tokony ho tamin’ny 9 ora teo. Araka ny loharanom-baovao voaray dia lehilahy iray sahabo eo amin’ny 30 taona eo,  izay voalaza fa  nitondra moto no fantatra fa voafaokan’ny fiara 4×4 tamin’iny  toerana iny. Vokany , maty tsy tra-drano ity lehilahy ity. Ny vaovao hatrany no nahafantarana fa vokatry ny fandehanana mafy teo amin’ny mpamily roa tonta no tena antony nahatonga ny loza. Nijininika ny rà teny an-toerana ary voalaza fa nivoaka mihitsy ny taolan-tongotr’ity lehilahy ity . Tsy nisy nahafantarana ny endriky ity niharan-doza intsony , fa dia potika tanteraka ny tarehiny . Fantatra fa nipitika lavitra be ity farany vao voafakan’ilay 4×4  ka izay no tena tsy nahavotra ny ainy intsony.  Niala mihitsy moa ny hoditr’ity rangahy ity , vantany vao voadona izy. Voalaza ihany koa fa nitsoaka avy hatrany ny mpamily ity fiara 4×4 ity vao nitranga ny loza , teny an-toerana. Efa eny an-tanany fianakaviana kosa ny razana amin’izao fotoana izao , ary mbola eo andalam-pikarohana ity mpamily fiara ity kosa ny eo anivon’ny polisy .

FINARITRA RAKOTO(Stagiaire)

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici