
Fiara tsy mataho-dalana ana ministera iray no nivantana tany an-tranon’olona, tetsy Ambatofotsy, omaly vao maraina. Trano fivarotana telo sy andrin-jiro iray no potika tamin’izany. Na izany aza anefa tsy nisy kosa ny naratra na ny aina nafoy. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina teo no nitrangan’ity loza ity. « Tsy tao an-tsena izahay tao amin’io fotoana io, fa ny maraina vao hitanay ny fahavoazana », hoy ny tompon-tsena iray izay nahitana fahasimbana. Zavatra nidoboka mafy dia mafy sy feon-dian-kodiarana nitrosina tamin’ny arabe no nanaitra vao maraina an’ireo teny an-toerana. Avy any Atsimo handeha hitodi-doha hiakatra ity fiaram-panjakana ity tamin’io fotoana io. Noho itony fiara itony mandeha mafy ihany sy voatery mamonjy fotoana lava, dia azo heverina fa torimaso fotsy no nahazo ny mpamily ka tsy nahavitany nitazona ny familiana intsony. Rehefa avy nitrongy andrin-jiro iray sy sarety nijanona teny an-toerana mantsy ity fiara tsy mataho-dalana ity dia nifatratra tany amin’ireo tsena teo amoron-dalana. Potika kosa tetsy an-danin’izay ilay 4×4. Raha ny fantatra teny an-toerana hatrany dia mpitandro filaminana mpiambina ministra iray sy ny mpiara-miasa aminy no tao anatin’ilay fiara, izay samy tsy nisy naninona avokoa. Fantatra, fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’ny roa tonta, ny tompon’ireo fivarotana sy ilay nandona. Tonga nanao ny fizahana ifotony kosa ireo mpitandro filaminana teny an-toerana. Fa ny zoma lasa teo ihany koa, tamin’iny lalam-pirenena mianatsimo iny hatrany, mpandeha tongotra roa no nofaohina fiara tsy mataho-dalana iray, teo Morarano Behenjy. Namoy ny ainy vokatr’izay ny iray, raha naratra mafy kosa ny faharoa. Notazomin’ireo mpitandro filaminana teny an-toerana natao famotorana tetsy an-danin’izay ny mpamilin’ity fiara ity.
m.L