- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatofotsy : Kamiô nivadika teo ambony teteza, olona iray maty voapotsitra

Ambatofotsy : Kamiô nivadika teo ambony teteza, olona iray maty voapotsitra

Nandriaka ny rà teny amin’ny tetezan’Ambatofotsy Gara omaly maraina. Kamiô lehibe iray, nitondra legioma no tratran’ ny olana ara-teknika ary dia nivadika sy latsaka avy eny ambony tetezana. Vokany, lehilahy iray niandry taxi-brousse teo akaiky teo no voafaoka ary maty voatsindry tao ambanin’ilay fiarabe. Olona telo hafa tao anatin’ity fiara niharan-doza ity kosa no naratra mafy ary voatery nentina niakatra taty an-drenivohitra. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina tany ho any no niseho ny loza raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso.  Avy any Atsimo, handeha hiakatra ny renivohitra nanaraka an’iny lalam-pirenena fahafito iny ity fiarabe iray mpitatitra legioma. Raha ny angom-baovao azo dia efa ela no nivilavila ihany ilay fiara, ary nony niala kely ny tetezana vao nivadika ambony ambany. Tamin’io fotoana io indrindra anefa no nisy lehilahy niandry taxi-brousse teo amin’ny sisin-dalana. Lehilahy iray fantatra fa mpitandro filaminana miasa amin’iny faritra ihany saingy nangataka ny tsy hiasa tamin’io fotoana io. Noraofin’ity kamiô ity niaraka taminy ity olona ity ary voantsindriny nony avy eo rehefa nivadika ity fiarabe ity. Karaokam-by an-taoniny maro niaraka tamin’ireo entana, karaoty sy ovy no nanindry ity lehilahy ity, izay potika tanteraka sy maty tsy tra-drano. Nitangorona avy hatrany ny olona ary niezaka nisikotra ilay voatsindry saingy indrisy fa efa tsy nisy azo natao intsony. Ny vatana mangatsiaka sisa no noezahina nosokirina tao ambanin’ilay fiara. Naratra mafy kosa tetsy andanin’izay ireo olona roa tao anatin’ity fiara ity. Ratra kelikely kosa ny an’ilay mpamily. Rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy moa ity farany dia nentin’ireo zandary avy hatrany natao andrimaso sy nohadihadiana tany amin’ny birao. Raha ny fanazavàna azo dia ny tapaka « rotule » ity kamiô ity, ka tsy nahafahana namily azy intsony.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici