- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAmbatofotsy : Lehilahy iray maty novelesina tamin’ny hazo

Ambatofotsy : Lehilahy iray maty novelesina tamin’ny hazo

Lehilahy lehibe iray no fantatra fa maty noho ny vely hazo nahazo azy teo amin’ny lohany. Tamin’ny alarobia hariva, tokony ho tany amin’ny 7 ora tany ho any, niaraka nisotrosotro ny lehilahy roa teny amin’ny tetezana Ambatofoty. Voalaza fa mpinamana ihany izy ireo. Ny iray efa somary zokiny, satria eo amin’ny 43 taona eo, ny faharoa kosa vao 20 taona monja. Rehefa betsaka anefa ny nosotroina ka niakatra ny dozy dia nisy ny fifamaliana teo amin’izy ireo. Izay anton’izany, tsy dia fantatra loatra. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa toa tsy nahatanty ilay fifamalina ilay tanora ka lasa nandeha naka hazo ary dia novelesina tamin’iznay ilay lehilahy lehibe. Teo amin’ny lohany no voa ary dia vaky mihitsy izany, hoy hatrany ny vaovao. Raha nahita izany ireo olona teny an-teorana dia nitangorona avy hatrany. Noteren’ireo nanatri-maso ilay tovolahy hitondra haingana ilay novelesiny tany amin’ny hopitaly. Raha vao tonga tany amin’ny trano fitsaboana anefa dia maty ihany ilay olona. Narahan’ny olona moa izy ireo tamin’izany ka ireo farany ireo indray no nitondra an’ilay tovolahy tany amin’ny biraon’ny zandary. Rehefa vita ny fakana am-bavany azy, omaly alakamisy ihany izy dia nentina teny amin’ny Fampanoavana. Nanapa-kevitra ny mpitsara fa hotanana vonjimaika any am-ponja ity nahafaty olona ity.

r.s.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser