Nihorohoro ny mponina raha vao niditra ny tanàna ireto jiolahy maromaro nitam-piadiana. Sady nitora-bato ny trano sendra azy mantsy ry zareo. Natahotra ny olona ka nitsoaka nandositra nanavotra aina ny ankamaroany ka navelany teo ny fananany. Nisy kosa niezaka nanamafy ny hidin-tranony. Rehefa izany dia niditra mora tao amin’ilay tranom-barotra iray nibanaka ireto jiolahy. Tokantrano iray no tena lasibatr’ireo tamin’izany ka norobany avokoa ny entana lafo vidy sy ny vola. Tao an-tampon-tanàna, ao amin’ny fokontany Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna, no nitrangan’ity fanafihana ity, ny asabotsy 18 aogositra lasa teo iny, tokony ho tamin’ny folo ora alina. Araka ny loharanom-baovao voarainay hatrany, dia jiolahy maromaro tsy fantratra isa no voalaza fa nanafika tamin’ny fandrobana an’io tranom-barotra io. Samy nifampihainohaino avokoa ny mponina nandritra izany ka rehefa nangingina ny tanàna, ary fantatra efa lasa ireo malaso vao samy nivoaka tsikelikely nifampizara vaovao ny olona teny amin’ny manodidina ny toerana voatafika. Araka izay dia naharitra ihany ny nijanonan’ireto olon-dratsy tao amin’ny fokontany Ambatofotsy, satria rehefa avy nandroba an’ilay tranom-barotra izy ireo dia mbola saika nandrava ireo trano maromaro nifanakaiky. Nampandre ny mpitandro ny filaminana ny mponina taorian’izay, saingy efa tafatsoaka lavitra ireo jiolahy. Ny ampitson’ny faha-19 aogositra tokony ho tamin’ny valo ora maraina vao tonga ny polisy, ka sorena avy hatrany ireo fokonolona tany an-toerana nanoloana izany. Na dia eo aza izany dia mbola mitohy kosa ny fikarohana ataon’ny polisy ireo nahavan-doza amin’izao fotoana hanoratanay ny lahatsoratra.
Ratantely