- Publicité SW45 -
lundi, septembre 16, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofotsy - Maevatanàna : Jiro led miisa telo mandeha amin'ny herin’ny masoandro...

Ambatofotsy – Maevatanàna : Jiro led miisa telo mandeha amin’ny herin’ny masoandro no nisy nangalatra

Mihazakazaka tanteraka ankehitriny ny asa fampandrosoana amin’ny alalan’ny asa fanamboaran-dalana  » Pavé « , na rarivato, eto an-tampon-tananan’i Maevatanàna, tafiditra ao anatin’ny veliranon’ny Filoha Andry Nirina Rajoelina. Tsy diso anjara amin’ny asa fanatanterahana ny vinam-panjakana ankehitriny amin’ny asa fanamboarana rarivato ny aty amin’ny faritra Betsiboka, ka anisan’ny nisitraka izany ny fokontan’Ambatofotsy, ato anatin’ny kaominina Maevatanàna voalohany. Rehefa vita tao antin’ny enim-bolana ny asa fanaovana  » pavé  » dia noezahina nametrahan’ny eo anivon’ny “Goveronorat Betsiboka” andrin-jiro miisa 12 ny tao amin’ny tanànan’Ambatofotsy, mba hoentina mandravaka ny hazavana sy hisorohana ny lafiny tsy fandriam-pahalemana any an-toerana. Akory anefa ny zava-nisy fa, joro led mandeha amin’ny herin’ny masoandro, napetraka amin’ny lalam-baovao makany Ambatofotsy no efa nisy nanongotra sy nangalatra sahady. Miisa efatra izy ireo no niongotra amin’ny fotony, ary lasan’ireo mpangalatra jiro ny telo amin’ireo. Hatreto dia mbola tsy fantatra ireo olona nangalatra izany, saingy hentitra ny ny fitondram-panjakana aty an-toerana manoloana izao ankasomparana izao, ka mitohy hatrany ny fikarohana ataon’izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana an’ireo olona minia manao izany. Mitaky fiovan’ny toe-tsaina ny fandrosoana, ary ho lavitry ny fandrosoana raha ohatra ka toe-tsaina mirefarefa amin’ny tany tahaka izao no ho hita aty an-toerana, na inona na inona ezaka ataon’ny topon’andraiki-panjakana aty amin’ny faritra.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici