Lehilahy iray fantatriy ny be sy ny maro amin’ny anarana hoe “Fafaha” no voatsindrona antsy teo amin’ny foto-tsofina, raha nody avy namonjy tsimandrimandry na fora zaza tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ambodivona, fokontany Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna voalohany no nisehoan’izany, ny Alarobia 1 Aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina. Araka ny vaovao voaray dia, efa eo akaikin’ny tranon’ity ranamana ity, no nisy nisakana ary vantany vao lasa aloha kelin’ireo olon-dratsy roa, teo amin’ny maizina dia notsatohana antsy ranamana, ka teo amin’ny foto-tsofiny izay saika nahazo ny tendakeliny. Nitsirara teo amin’ny tany, saingy mbola nahavita niantso vonjy izy. Fa ilay nanao ny ratsy kosa nilefa malaky nandositra. Taitra ny manodidina namonjy ity lehilahy voatsatoka antsy ity, izay efa nihosindrà. Nentina nalaky teny amin’ny hopitaly be Morafenokely, izay mbola mahatsiaro teny am-pandehanana nilaza fa olona roa vahiny amin’ny masony no nanindrona antsy azy, rehefa tonga teny amin’ny hopitalibe vao torana izy. Nampandrenesina ihany koa ny mpitandro ny filaminana, saingy tsy mbola nisy tonga teny an-toerana hatramin’izao. Ilay niharan-doza moa izay mbola miady aman’aina, fa ireo nahavanon-doza kosa mbola tsy hita.
Ratantely