- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofotsy-Maevatanàna : Mirongatra ny fanafihan-dahalo

Ambatofotsy-Maevatanàna : Mirongatra ny fanafihan-dahalo

Tsy andro tsy alina, raha ny tati-baovao samihafa voaray, dia sady misahotaka noho ny asan-dahalo nanao sesilany nanomboka ny volana janoary teo no mankaty, ireo mponina no very fanahy mbola velona ny ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Mandray andraikitra ihany ny tompon’andraiki-panjakana sy ny mpitandro ny filaminana, saingy toa tsy mahasakana ny fanohizan’ny mpanao ratsy ny asany izany. Vao tsy ela akory izay, tamin’talata 28 aogositra lasa teo, tokony tamin’ny 11 ora sy sasany alina, tao amin’ny fokontany Ambatofotsy, kaominina Maevatanàna voalohany, dia dahalo dimy lahy nirongo fiadiana toy ny lefona sy zava-maranitra no nanafika tokantrano iray tao an-toerana. Soa fa mailo ny tompon’ilay trano, ka tsy nisy ny aina nafoy, satria natory tany amin’ny  toeran-kafa, fa ny entana toy ny “lecteur roa”, an-dRtoa Bebe sy ny vola tahiry tao an-trano no nentin’ireo olon-dratsy. Nampandre ny mpitandro ny filaminana malaky ny mponina taorian’izay saingy efa tafatsoaka lavitra ireo jiolahy. Manoloana izany dia very fanahy ny mponina eto Maevatanàna tampon-tanàna ankehitriny. Iza no hianteherany? Samy miandry ny vahaolana amin’io tsy fandriam-pahalemana io ny mponina an-tanàn-dehibe eto Maevatanàna na ireo any ambanivolo.

Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici