- Publicité -
jeudi, juillet 31, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatofotsy : Mihenjana ny tady eo amin’ny fianakaviana roa

Ambatofotsy : Mihenjana ny tady eo amin’ny fianakaviana roa

“Tokony ho tamin’ny enina ora  ramatoa T. no nandalo tao amin’ny tranon’i A.M tao Tsiadana ary nitaky trosa ny ambim-bolany 4 hetsy ariary. Entiny hitsaboana ny rainy izany raha araka ny teniny” raha araka ny fanazavan’ny fianakavian’i A.M izay namaly ny lahatsoratra momba ny fahafatesan’i T., monina eny Ambatofotsy ka nilazan’ny fianakavian’i T. fa i A.M no tompon’antoka. Nanontany tena koa izy ireo fa raha nomena asidra ve izy tamin’ny 6ora maraina, ahoana no mbola nahafahany nandehandeha nifampiantso an-telefaonina tamin’ny zanany mipetraka lavitra ny renivohitra ora maro taty aoriana ary koa mbola afaka niresaka tamin’ny fotoana nahitana azy teny Ambatofotsy tamin’ny 4ora hariva. Etsy ankilan’izany, ny fianakavian’i T. indray dia nanohitra ny didy famotsorana vonjimaika an’i A.M. Mihenjan-droa tanteraka ny tady momba ity raharaha ity ary samy mitaky ny fitsarana hiasa am-pitoniana sy hijery ambony ambany ny fikirakirana ity dosie ity ny roa tonta.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici