Tsatoka antsy no setrin’ny fitakiana trosa. Mbola nahavita niantso vonjy ilay ramatoa ary nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy teny an-dàlana no tapitra ny ainy. Ny voalohan’ity volana ity no nitranga izany vonoan’olona izany tany Ambatofotsy. Raha araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty dia mbola nahavita nanazava ny zava-nanjo azy ilay ramatoa ary nanonona anarana. Teo no niaingan’ny fanadihadiana rehetra ary nahafantarana fa nisy fitakiana trosa tao anatin’ity raharaha ity. Raha ny loharanom-baovao mitovy hatrany dia ny fianakaviany izany, dia olona mpaka entana ao amin’ny fivarotany eto Andrenivohitra no voatonony. Nampitaina teny amin’ny mpitandro ny filaminana izany rehetra izany ary rehefa nandeha ny fanolorana ny raharaha teny amin’ny fampanoavana dia akory ny hakivian’ireo fianakaviana noho ny nahazoan’ilay olona voakasika fahafahana vonjimaika. Nilaza ny hanohitra izany didin’ny fampanoavana izany ireo fianakaviana.
D.R