Tsy lany fika mihitsy ireo mpanondrana sy mpibizina an’itony zava-mahadomelina itony, raha ity tranga iray niseho tetsy Ambatofotsy ity no zohina. Araka ny fampitam-baovao azo avy amin’ny mpitandro filaminana dia kamiô citerne iray no nahatratrana rongony, rehefa natao ny fisavana tao anatiny, ny zoma hariva lasa teo. Raha ny fanazavana azo avy amin’ireo pôlisy miady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy, izay nahatratra ireto rongony ireto, dia loharanom-baovao avy amina olona tsara sitrapo no nahafahana nitily ity kamiô ity. Iza tokoa moa no hanam-po hoe, kamiô « citerne », mpitondra solika no hisy hanitrihana sy hanafenana rongony ? Kanefa dia vitan’ireo mpanondrana ny nanafina izany tao anatin’io fiarabe io. Araka ny fantatra hatrany dia avy any Atsimo, tany amin’iny faritra Ihosy Ambodialava iny, no niainga ity fiarabe ity. Rehefa natao ny vela-pandrika rehetra nataon’ireo mpitandro filaminana dia tratra teo Ambatofotsy ilay kamiô, niaraka tamin’ireo olona tao anaty fiara. Rehefa natao ny fisavàna dia indreo ireo tokoa ny fonosan-javatra anaty gony miisa teo amin’ny 10 teo, miafina soa aman-tsara anaty « compartiment » iray, izay tsy misy solika. Tena tsara afina tokoa, manoatra noho ny amin’ireny mpibizina rongony fahita amin’ny horonantsary irony, ireto zava-mahadomelina. Rehefa novahana ireo gony ireo dia fantatra tamin’izany fa rongony milanja eo amin’ny 500 kilao teo no tao anatiny. Olona roa, ny mpamily sy ny mpamily mpanampy amin’ity fiarabe ity no avy hatrany dia notananan’ireo mpitandro filaminana sy nentina nohadiadiana. Hatreto aloha dia mbola tsy fantatra hoe iza no tena ao ambadika ary saika hoentina ho an’iza ireto rongony be tratra ireto. Natolotra ny Fampanoavana ny sabotsy lasa teo izy roalahy ireto ary nalefa eny Antanimora avy hatrany, miandry ny fotoam-pitsaràna azy.
m.L