Nisehoana fanafihan-jiolahy indray tany amin’iny faritra Ambatolampy iny. Jiolahy maherin’ny 10 mirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no tonga nanafika tanàna iray manontolo tao Antsampandrano, ny alatsinainy alina lasa teo. Araka ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia trano sy fivarotana manodidina ny folo teo no lasibatra tamin’io fotoana io, ka nahazoan’izy ireo vola maherin’ny 60 tapitrisa ariary, ambonin’izay ireo entana sarobidy nentin’izy ireo. Na dia nirefodrefotra izay tsy izy aza anefa ny basy dia tsy nisy ny naratra na ny aina nafoy raha ny vaovao voaray hatrany. Teo anoloan’ireto vava basy maromaro tokoa mantsy dia tsy afa-nanoatra ireo mponina teo amin’io tanàna io, hany ka nanjakazaka izay tsy izy ireto olon-draty. Fantatra ihany koa fa toerana lavidavitra sy saro-dalàna izy ity, ka na dia teo aza ny antso vonjin’ireo mponina, somary nampanano sarotra ireo mpitandro filaminana ihany no tonga haingana teny amin’ilay toerana nisian’ny fanafihana. Efa nadio tanteraka ny rano nitan’ireo jiolahy vao tonga izy ireo. Efa mandeha araka izany ny famotorana sy fikarohana ireo olon-dratsy raha ny vaovao voaray hatrany.
m.L