- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Angidimby kely nipetraka an-katerena teny an-tampo-kavoana

Ambatolampy : Angidimby kely nipetraka an-katerena teny an-tampo-kavoana

Angimby kely iray, marika « Hugues 300 » no voatery nipetraka an-katerena (atterissage d’urgence) tao amin’ny kaominina Tsinjoarivo, distrikan’Ambatolampy ny andron’ny sabotsy lasa teo. Noho izay fipetrahany an-katerena izay, teny an-tapom-kavoana teny dia nisy fahasimbana izany angidimby izany, saingy tsy naninona kosa, ilay terantany frantsay, nanamory azy, araka ny fanazavana azo avy tamin’ireo zandary tany an-toerana.

Tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro tany ho any no nahazo antso tamin’ny kaompania nisy ity angidimby ity ny zandary mahakasika ity loza io. Voalaza mantsy fa noho ny olana ara-teknika nosedrain’izay fitaovana izany teny am-panidinana teny dia voatery tsy maintsy nipetraka an-katerena izy. Vohitra, mbola somary lavitra io nipetrahany io : lalana adin’ny telo, mandeha môtô miala ny renivohitry ny kaominin’i Tsinjoarivo ary mbola misy dia tongotra aza, hoy ny tompon’andraikitry ny zana-tobi-paritry ny zandary tany an-toerana. Efa tonga tany an-toerana moa ireto farany ary efa nanao ny fizahana sy ny fiambenana ilay fitaovana ary ny famonjena ilay mpanamory, izay izy irery ihany no tao anatiny. Marihana fa avy eto Antananarivo, hihazo an’Ambodiarakely, distrikan’Anosibe An’Ala izany angidimby izany no izao tojo olana tampoka izao.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici