- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Ankizivavy maty, nokapain-drainy tamin’ny famaky

Ambatolampy : Ankizivavy maty, nokapain-drainy tamin’ny famaky

Habibiana tsy roa aman-tany no vitan’ity raim-pianakaviana iray tany amin’ny distrikan’ Ambatolampy ny faran’ny herinandro teo. Novonoina ary nokapainy tamin’ny famaky ny lohan-janany vavy. Maty tsy tra-drano ity zaza tsy manan-tsiny.

Dia hatezerana tahaka ny inona loatra re, sa dia efa nasesi-doza ity raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Ambatotsipihana Atsinanana, tany Ambatolampy iny, no dia zanany naterany izao no novonoina  tamin’ny fomba mahatsiravina ? Araka ny fampitam-baovaon’ireo mpitandro filaminana dia ny alahady tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any izy ireo no nahazo antso tamin’ireo fokonolona mahakasika ity vono olona feno habibiana ity. Nidina avy hatrany tany an-toerana izy ireo nijery ny zava-nisy. Lehilahy iray, no nahavita namono nahafaty an-janany vavy, izay vao 12 taona monja. Raha ny vaovao hatrany dia nisy fifamaliana teo amin’izy mianaka ireto. Tsy nahatana ny fony angaha hoe ilay raim-pianakavina ary naharay zava-maranitra izay sendran’ny tanany. Avy hatrany dia norasainy sy nokapainy tamin’ny famaky ny lohany. Nahazo ny tarehiny iny ny diam-pamaky. Niforitika ny rà ary nidaraboka avy hatrany ilay zaza naratra. Tsy niandry ela akory dia namoy ny ainy. Ireo fokonolona tao an-toerana no nampandre ny zandary rehefa nahafantatra ny zava-nisy. Nosamborina avy hatrany moa ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity ary notanana natao andrimaso ao amin’ny biraon’ny zandary ao amin’ny “poste avancé” ao Antsampandrano, hanaovana famotorana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici