jeudi, mai 22, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Ankizy vavy maty voatifitra, naratra mafy voavely koa ny rainy

Ambatolampy : Ankizy vavy maty voatifitra, naratra mafy voavely koa ny rainy

Tsy dia nisy antony mazava loatra fa tifitra niniana natao no nahafaty ilay ankizy vavy

Nisehoana fanafihan-jiolahy tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ambohipoloalina, any Ambatolampy tamin’ny alakamsiy teo. Tamin’ny 11 ora alina ireo jiolahy voalaza fa miisa fito nitondra kalaky sy PA no tonga tao amin’ilay trano. Fivarotana moa izy io. Avy hatrany dia nizara roa ireo mpandromba, ka ny sasany tao amin’ny fivarotana ary ny ambiny niakatra tany ambony rihana nisy ireo mpianakavy. Talohan’ny nidirany anefa, nanapoaka basy ry zalahy nampitahorana ny rehetra. Nopotehany ny varavarana. Raha vao tonga tao an-trano izy ireo dia voambana basy ny rehetra ary tsy nisy sahy nihetsika. Nitaky vola ireo mpangalatra. Angamba tsy nanaiky hanome izany mora ny tao an-trano ka tonga dia nirefotra ny basy. Ilay ankizy vavy vao 14 taona no voa teo amin’ny tandrifin’ny sorony. Nitolefika izy ary nijininika ny rà. Ny voavao voaray no nahalalana fa noho ny rà very dia maty ilay ankizy. Tsy vitan’izany fa novelesin’ireo jiolahy koa ny rainy. Teo amin’ny lohany no voa ka naratra mafy tokoa. Rehefa tsy nisy nanohintohina intsony ny sa ratsiny dia niliba ry zalahy naka ny vola voalaza fa iray tapitrisa mahery, niampy telefonina sy entana hafa. Raha vao azony izany, lasa nandeha ireo olon-dratsy. Taorian’izany vao afaka nampandre ny zandary ny olona. Tsy nisy tratra ireo mpandroba. Efa mandeha ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser