Rongony 470 fototra no saron’ny Zandary tao Ambatolampy ka olona 2 mpamboly izany no voasambotra, ny 20 febroary 2019. Raha nahazo vaovao avy tamin’ olon- tsotra milaza, fa manana basy tsy ara-dalana ny olona ao amin’ny trano iray ny Zandary ao Ambatolampy, dia niroso tamin’ny “perquisition”. Voasava ny trano, tsy nahitana basy ka nivoaka tao ambadiky ny trano mba hisava ny tokotany izay mifefy tamboho avo ireo Zandary kanjo akory ny hagagany, fa sahan-drongony no hitan’izy ireo. Nongotana avy hatrany ireo rongony ireo ; izay nahatratra 470 fototra ary 2m ny haavony. Nosamborina ireo olona 2 tompon-trano ary natao andrimaso tao amin’ny brigady. Hodorana eo anatrehan’ny manampahefana sivily ireo zava-mahadomelina ireo, ary hatolotra ny fampanoavana ireo voarohirohy.
Malala Didier