Lehilahy iray migadra ao amin’ny fonjan’Ambatolampy no fantatra fa tafatsoaka tao amin’ny toerana nitazonana azy, ny alarobia teo. Raha ny fampitam-baovao avy tany an-toerana, dia tamin’ity farany nalefa tao amin’ny toeram-pitsaboana tao an-toerana na « infirmerie », rehefa nilaza fa narary izy no nanararaotra nandositra ity gadra ity. Nisy tandrevaka teo amin’ny fiambenana sa tetika efa maty paika ? Mbola fanontaniana goavana amin’ny rehetra no nahatafaporitsaka azy tamin’izany, ary indrindra fa hoe amin’ny andro antoandro fa tsy alina akory. Hatreto dia tsy mazava arak’ izany izay tena zava-niseho marina tamin’io fotoana io. Miandry ny fanazavana hoentin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fonja ny rehetra. « Izahay rahateo, hoy ireo tompon’andraikitry ny filaminana any an-toerana, dia tsy mbola naharay taratasy fampikarohana azy. Fampilazana am-bava fotsiny no tonga taty. Na izany na tsy izany aza anefa, dia efa misy ny fandraisana andraikitra sy fepetra noraisina ». Araka izany, dia tsy misy mahafantatra ny mombamomba an’io gadra nitsoaka io. Angom-baovao hafa no nahafantarana, fa toa hoe voarohirohy tamina resaka fakàna an-keriny tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao ity lehilahy tafatsoaka ity, saingy tsy fantatra ihany koa hatreto na efa manala ny saziny na mbola famonjana vonjimaika, izy tafatsoaka izao.
m.L