- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Jiolahy nikasa hangalatr’omby, voasambotry ny fokonolona

Ambatolampy : Jiolahy nikasa hangalatr’omby, voasambotry ny fokonolona

Tsy tanteraka ny fikasan-dratsin’ireo jiolahy nikasa hangalatra omby, tao amin’ny kaominina Antsampandrano distrikan’ Ambatolampy, fa voasakan’ny fokonolona. Ny faramparan’ny herinandro lasa teo no nisehoan’ny fanafihana. Taitra ny fokonolona raha naheno ny fahatongavan’ireo jiolahy niditra ny tanàna. Raikitra avy hatrany ny antso lava, vetivety dia tafavory ny vatan-dehilahy, etsy an-kilany vaky nandositra ireo jiolahy nifanenjahan’ny fokonolona. Fantatra, fa iray tamin’ireo jiolahy no vosambotra ka niharan’ny fitsaram-bahoaka avy hatrany, nalaky tonga ny mpitandro filaminana ka avotra soaman-tsara ihany ny ainy. Ity farany avy eo no nanondro ny namany hafa ka nahatratra enin-dahy no nosamborina. Araky ny loharanom-baovao hatrany, dia nandrahona ny mpitandro filaminana nisambotra azy ny iray tamin’ireo jiolahy ary nilaza fa tsy hisy hahatazona azy. Handrasana noho izany  izay mety hiafaran’ity jiolahy ity.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici