Nandriaka indray ny rà teny amin’iny lalam-pirenana faha-fito iny omaly hariva. Fiarabe iray no nifandona tamina taxi-brousse zotra mankany Toliara. Vokany, olona iray no fantatra fa namoy ny ainy teo noho eo. Mpandeha am-polony maro kosa no naratra mafy. Raha ny fanazavàna azo dia nitondra hazo handeha hiakatra ity fiarabe ity no nifanena tampoka tamin’ity taxi-brousse, mampitohy ny renivohitra sy ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany tany ho any no nitranga ny loza raha ny fampitam-baovao azo. Ny filazan’ireo nanatri-maso dia somary nangalatra lalana ilay fiarabe raha niditra fiolanana. Tsy nahita izany kosa ilay taxi-brousse, izay samy nandeha mafy avokoa. Tsy tana intsony araka izany ny fifandonana ary dia samy nifatratra tany anaty hantsana ny roa tonta. Samy potika tanteraka. Mpandeha iray tao anatin’ilay fiara taxi-brousse no namoy ny ainy, rehefa voaterin’ny hazo sy ny seza nipetrahany. Maro tamin’ireo mpandeha kosa no naratra mafy ary nentina notsaboina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana. Tonga teny an-toerana avy hatrany ireo mpitandro filaminana. Fantatra fa efa mandeha ny fanadihadiana mahakasika ity lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona ity indray. Ary inoana fa hisy ny fepetra henjana mahasika izany. Ireo mpandeha foana mantsy no lasibatra ao anatin’ireny loza ireny.
m.L