- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Maty voatifitra i Cyrille, mpangalatr’akoho

Ambatolampy : Maty voatifitra i Cyrille, mpangalatr’akoho

Tsy fangalarana akoho amam-borona ihany no tena talentan’Ingahy Cyrille sy ny namany fa rehefa halatra botry isan-karazany : vaky trano sy ny maro hafa. Ny andron’ny talata lasa teo, tapitra hatreo ny laza ratsin’ity « andrarezin’ny hala-botry », tany amin’iny distrikan’Ambatolampy ity hoy ny zandary rehefa nifanena tamin’ny zandary, izy sy ny ekipany. Efa maromaro ihany ireo velon-taraina ny amin’ny afitsok’izy ireo tany an-toerana. Ary raha vao misy resaka hala-botry sy vaky trano tao Ambatolampy sy ireo kaominina manodidina, dia voalaza fa tsy maintsy voatonona hatrany ny anaran’i Cyrille sy ny ekipany. Tsy mipetra-potsiny ny zandary any an-toerana, hoy hatrany ny vaovao fa manao halazalambo ity olona voalaza ity. Efa impiry voasambotra foana rahateo ingahy, nampidirina am-ponja saingy miverina amin’ny asa ratsiny hatrany. Voalazan’ny fampitam-baovao fa efa voasambotra ity farany ny taona 2023 noho ny resaka halatra akoho sy vorona. Nampidirina am-ponja ary nivoaka indray taorian’izay. Efa nifanehatra tamin’ny zandary indray ny volana martsa lasa teo, saingy ny namany no voasambotra sy nadoboka am-ponja saingy izy tenany tafaporitsaka. Voatonona tamin’ny resaka halatra sy vaky trano indray, ny volana jona, ary ny namany hatrany no voasambotra sy nidoboka am-ponja saingy izy mbola tafaporitsaka hatrany. Ny voalohan’ny volana jolay teo ingahy no re fa nihaodihaody tao amin’ny fokontany Ambodiriana. Ary tamin’ity indray mitoraka ity, dia tsy afa-nikofoka sy niporitsaka intsony. Voalaza mantsy fa rehefa nifanehatra tamin’ireo zandary ingahy sy ny ekipany dia nanao tari-dositra avy hatrany. Ary voatery nampijanonana sy nampiasàna fitaovana. Voatifitra tamin’izany ingahy Cyrille. Nitondra azy ho amin’ny fiainan-tsy hita rahateo ny bala nahavoa azy tamin’izay fotoana izay. Azo heverina fa afaka hiaina am-pilaminana amin’izay ireo mponina any an-toerana, noho izao vokatra izao, raha tsy hoe ho avy hanao valifatiny ireo ekipany … Saingy azo heverina fa efa eo an-dalam-pitsiponanana azy ireo ny mpitandro filaminana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici