Irony kodiaran-droa misy « vitesse » irony, tsara fono, no nofongarin’ny fokonolona, niaraka tamin’ny zandary omaly tao Manjakatompo, any amin’iny distrikan’Ambatolampy iny. Araka ny fantatra dia môtô halatra izy io, nezahin’ilay olon-dratsy nafenina tao ambanin’ny tany.
Efa maty paika ! Ankevitry ny efa niomana tanteraka ingahirainy ny amin’ny toerana hametrahany ilay môtô avy nangalariny, rehefa vita ny asa ratsiny. Ary tena nihevitra izy fa tsy hisy hahita izany kodiaran-droa izany nafeniny izany, kanefa moa tsy hisy marina izay tsy hohita, eny fa na hoe iza ary no hanampo fa milevina any ambanin’ny tany, eny an-tanimboly izany kodiaran-droa izany ? Omaly, tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any no nisy nampandre ny zandary tao Ambatolampy fa very ny môtô marika Haojue 125cc, izay mitombam-bidy an-tapitrisany maromaro tany ho any. Nandray andraikitra avy hatrany ireo mpitandro filaminana niroso tamin’ny fikarohana izany fitaovam-pitaterana izany, niaraka tamin’ny fokonolona. « Tamin’io fotoana io ihany dia narahana ny dian’ilay môtô ary niafara teny an-tanimboly iray teny Manjakatompo, Miarinarivo Antsampandrano » hoy ny fanazavana azo. Ny somary nahagaga ny rehetra dia tsy nisy diany intsony ilay nony avy eo, toy ny hoe nanjavona izany. Noheverina ho nisy fiara nitondra angaha kanefa rehefa nodinihana ny teo amin’ny manodidina dia tsy nahitàna diana fiara. Moa ny toerana rahateo tsy tonga ny fiara mihitsy. Tsy lavitra teo no nahitàn’ireto mpanara-dia tangorona ravin-kazo maina sy tany vao avy nototorana. Rehefa notiliana akaiky dia nahitàna « guidon » somary nipoitra. Nohadiana faingana izany ary dia iny eny tokoa fa nofongorina avy tao ilay môtô vao avy nangalarina. Nofonosin’ireo izay nangalatra azy labasy tsara ilay izy, notofofana tany avy eo ary io norakofana ravina maina io. « Hatreto, hoy ny fanazavana azo, dia mbola eo am-panaovana famotorana, hikarohana izay mety ho tompon’antoka tamin’ity halatra hafakely ity izahay. Fa ny zava-dehibe aloha dia efa hita ilay kodiaran-droa »
m.L