- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Mpamaky trano ikoizana, zaza folo taona voasambotry ny pôlisy

Ambatolampy : Mpamaky trano ikoizana, zaza folo taona voasambotry ny pôlisy

Tsy mifidy taona tokoa ny maha-olon-dratsy. Zazalahy mbola vao folo taona monja no nampikaikaika ireo mponina tao amin’ny fokontany Ambany Atsimo, ao amin’ny distrikan’Ambatolampy, amin’ny resaka famakiana tranon’olona. Tratran’ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’Ambatolampy ity jiolahy rain-dahiny ity, ny alahady lasa teo, niaraka tamina lehilahy iray, mpandray ireo entana halatra avy nangalarin’ity zazalahy ity. Raha ny fanazavana azo amin’ny tompon’andraikitry ny pôlisy any an-toerana, dia efa tokantrano maromaro no efa lasibatr’ity tovolahy kely ity, ary ireo toeram-pivarotana no tena ataona mahita faisana. Efa fantany tsara ny fotoana tokony hidirany ao amin’ilay tranon’olona. « Barre à pince » sy karazan-dakile maromaro no ampiasainy amin’izany, hidirany amboletra ao amin’ilay trano. Raha ny fanazavana azo hatrany dia vitan’ity tovolahy ity ny miditra amina tranon’olona iray, na mifefy io na tsy mifefy, eny fa na dia efa misy ireny karazana vy maranitra ireny aza ny tamboho. Vola, karazan’entana maroamaro, toy ny savony amin’ny baoritra, trondromaina aina gony maromaro, sy ny hafa no alainy amin’izany. Ny mahagaga, hoy hatrany ny pôlisy dia izy irery ihany fa tsy misy namana izy amin’izany asa ratsy ataony izany. Ary olona iray ihany koa no mpandray ireto entana avy nangalariny ireto. Samy tra-tehaky ny pôlisy izy roalahy ireto ary natolotra ny Fampanoavana tany an-toerana ihany. Fantatra fa nalefa any amin’ny fitaizana zaza maditra any Antsirabe ity bandikely mpamaky trano ikoizana ity ary nampidirina am-ponja vonjimaika kosa ilay namany mpandray entana halatra.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici