- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Mpiady volamena maty nihotsahan’ny tany

Ambatolampy : Mpiady volamena maty nihotsahan’ny tany

Zava-doza no niseho tao Ambatolampy, ny talata tolakandro lasa teo. Mpiady volamena telo be izao indray no maty voatototry ny tany tao amin’ny tananan’I Tsinjoarivo. Tokony ho tamin’ny roa teo ho eo no niseho ny loza raha ny fampitam-baovao azo avy any an-toerana. Dimy lahy izy ireo, izay samy mpirahalahy avokoa no niaraka nandeha nitady ireto vato sarobidy ireto. Ny telo tamin’izy ireo no niady ny lavaka ary ny roa kosa niandry tety ivelany, izay sady mpanome rivotra no mampiakatra ny ranon-tany. Efa lasa lalindalina ihany ny lavaka nataon’izy telolahy ireto tamin’io fotoana io no niseho tampoka ny loza. Tsy nampoizin’ireto mpiady volamena ireto mihitsy mantsy fa tsy ahazaka ny lavaka nataon’izy ireo ny tany nolavahany, hany ka nihotsaka avy hatrany. Tao anatin’ny indray mipi-maso no tototra tao izy telolahy, izay tsy nisy fotoana akory niakarana. Iretsy teo ambony ihany koa tsy nanam-potoana namonjena akory. Lavaka saika hitadiavana harena ny an’ireto mpiady  volamena  ireto kanjo lasa fasana tsy fidiny ho azy ireo. Niezaka niantso vonjeo hatrany izy roalahy ary vetivety foana dia tonga ny fokonolona. Saingy indrisy fa tsy nisy azo natao azy telolahy ireto intsony. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary nanadihady ny mahakasika ity raharaha ity. Miroborobo tokoa ankehitriny ity fitrandrahana tsy ara-dalàna ity, na eto ampivoan-tany na amin’ny faritra. Ny tsy fantatr’ireo olona manao izany anefa, mazàna dia mitera-doza toa izao izany, noho ny fitaovana ampiasaina tsy manaraka ny fenitra tokony ho izy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici