Mpisoloky gaigilahy no nosamborin’ny polisy, ao amin’ny kaomisaria Ambatolampy, ny 27 oktobra teo. Natolotra ny fitsarana omaly ity lehilahy ity ary fantatra fa nampidirina am-ponja vonjimaika. Teny amin’ny toerana antsoina hoe Nazareta izy no tratra. Nisandoka ho mpampianatra ary mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana ity rangahy ity. Nametraka fitoriana tao amin’ny biraon’ny polisin’ Ambatolampy ny tompon’andrikitra ao amin’ny sekoly Marthe Hervé fa misy olona misandoka ho mpampianatra ao aminy. Nolazain’ny vaovao fa maka vola amin’ny ray aman-drenin’ny mpianatra io olona io. Olona sivy no efa nahazoany vola 10 000 ariary avy. Manana karapanondro roa ity lehilahy ity. Ny iray no tena azy fa ny faharoa kosa sandoka, fampiasany rehefa misoloky izy. Rehefa nanao fanadihadiana ny kaomisera tompon’andrikitra ao Ambatolampy, dia nahalala fa tsy vao izao ity olona ity no nisoloky fa efa ela tokoa. Tratra izay dia mandeha any am-ponja. Mivoaka avy eo ary mamerin-keloka indray. Toerana maromaro no efa nanaovany ny asa ratsiny, hoy hatrany ny vaovao. Tanisainy tamin’izany ny tany: Mahitsy, Betafo Antsirabe, Antananarivo ary izao farany izao tany Ambatolampy. Fiaraha-miasa tamin’ny CISCO tany an-toerana no nahazoana nisambotra ity mposoloky ity. Rehefa nofotorana izy dia niaiky ny heloka efa vitany.
r.s.