- Publicité -
lundi, novembre 10, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatolampy : Namono olona roa ilay ora-mikija

Ambatolampy : Namono olona roa ilay ora-mikija

Samy niara-niaina ilay tafio-drivotra, narahina ora-mikija havandra ary varatra iny avokoa ireo mponina teo am-povoan-tany, na ny teto an-drenivohitra izany na ireo tany amin’ny manodidina, ny tolakandron’ny sabotsy teo. Araka ny angom-baovao azo, ankoatra ny fahasimban-javatra dia nisy aina nafoy tao anatin’izany ary faharatrana maromaro, tany amin’iny distrikan’Ambatolampy iny.

Tany amin’iny faritra iny, araka ny angom-baovao hatrany, dia tena nirefodrefotra ny varatra, naharahin’iny oram-be niampy tafio-drivotra ary havandra iny. Renim-pianakaviana iray, 21 taona  tao Tsarazaza, fokontany Ambanimaso II, an-tampon-tananan’Ambatolampy no maty tsy tra-drano vokatry ny filatsaham-potaka. Nisy olona hafa ankoatra azy kosa no naratra ary mbola eo an-dalam-pitsaboana. Ankoatra io anefa, dia raim-pianakaviana iray, 42 taona ihany koa no maty tao Ambahondrano, kaominina Belambo, distrikan’Ambatolampy hatrany, vokatr’izay varatra nilatsaka izay hatrany. 

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici