Ny marainan’ny zoma teo no hita ny razana izay nafenina tao anaty ala. Niara-nidina teny an-toerana, tao amin’ny fokontany antsoina hoe Andohafarihy, ny zandary avy ao Tsiafajavona ary niaraka tamin’ny dokotera avy ao Ambatolampy. Rehefa natao ary ny fitsirihina ny razana dia hita fa niboridana ilany ny tapany ambany. Izany hoe nesorina ny pataloha sy ny tako-kenatra tamin’ny tapany ilany. Tsikaritra koa fa nisy tsatok’antsy teo amin’ny vatany ary feno mangana teo amin’ny tendany, ny tratrany, ny vavany ary ny lamosiny. Teo ihany dia efa azo an-tsaina ny nanjo ity vehivavy tombanana ho 30 taona ity : naolana, nodarohina nandritr’izany ary novonoina ho faty rehefa vita ny filan-dratsy. Nentina niakatra tao Ambatolampy ny razana ary notazomina ao amin’ny tranom-paty. Tsy misy fantatra ny momba azy satria tsy nisy taratasy mahakasika azy mihitsy teny aminy. Vokatr’izany dia nanaovana antso tamin’ny haino aman-jery tao an-toerana ny fisian’ny razana mba hahafahan’ny fianakaviany mahafantatra ny zava-nisy ka haka izany. Heloka bevava roa karazana izany no nihatra tamin’ity vehivavy ity. Ny tranga toa izao dia mila hifantohan’ny mpanao fanadihadiana tena mahay tanteraka. Ny antony dia misy olona izay tsy fantatra isa miriaria izany any ho any izay sady mpanolana no mpanafaka aina. Any amin’ny tany mandroso dia miasa avokoa ny sampana iray manontolo mba hikarohana ny mpanao ratsy ary tsy itsitsiana ny eo am-pelan-tànana rehefa misy ny tranga toa izao. Izany dia mba ho fiarovana ny filaminam-bahoaka ary mendrika ny hampiasaina ny fara-hery sy ny fara-fahaizana…
D.R